Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko faha-6

3 Raha misy mampianatra zavatra hafa noho izany, ka tsy manaiky ny teny marin'i Jesoa-Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana mampanaja an'Andriamanitra,

4 dia olona mpieboebo foana izany, sy tsy mahalala na inona na inona, fa adalan'ady hevitra aman'ady teny, izay miteraka fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy, 5 fifanoherana tsy misy farany, fanaon'ny olona efa ratsy saina sy nialan'ny fahamarinana, ka manao ny fivavahana ho filan-karena. 6 Eny, harem-be tokoa ny fahazotoa-mivavaka, omban'ny fianinana; 7 satria tsy nitondra na inona na inona isika no niditra tamin'izao tontolo izao, ka iaraha-mahita fa tsy hahatondra na inona na inona koa no hiala eto: 8 koa rahefa manan-kohanina sy hitafiana, dia aoka hianina amin'izany. 9 Fa izay te-hanan-karena, dia tafalatsaka amin'ny fakam-panahy sy ny fandrika amam-pilàna maro tsy misy heviny sy mampidi-doza, izay mandentika ny olona amin'ny fandringanana amam-pahaverezana. 10 Satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, ka ny sasany nentin'izany, dia efa nivily lavitry ny finoana, sy nandefona ny tenany tamin'ny fijaliana maro. 17 Anaro ny mpanan-karena amin'izao fiainana izao, mba tsy hiavonavona, na hanantena harena tsy mateza, fa hanantena an'Andriamanitra, mpanome antsika malalaka ny zavatra ilaintsika;

18 ary hanao soa, sy ho tonga tena mpanan-karena amin'ny asa soa, hazoto manome sy miantra, 19 dia hihary fanorenana tsara ho an'ny tenany ho amin'ny andro ho avy izy, izay hahazoany manana ny tena fiainana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1083